21 Août 2022
1- Elon Musk : 288 Milliards de dollars
I Elon Musk dia Sud-Africain metisy Canadien manana zom-pirenena Amerikana, teraka tamin’ny 28 jona 1971 tao Pretoria Afrique du Sud. Izy no PDG ny orin’asa SPACE X izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny Astronautique sy ny Vol spatial, DG ny orin’asa Tesla mpamorona Fiarakodia Elektrika ary izy ihany koa no namorona ny orin’asa PayPal.
2- Jeff Bezos : 183 Milliards de dollars
Izy no tompon’ny orin’asa Amazon izay fivarotana eto amin’ny internet. Ity orin’asa ity no tena nahazo tombony indrindra tamin’iny fihibohana nateraky ny COVID19 iny. Teraka tamin’ny 12 janoary 1964 tao Albuquerque (Nouveau-Mexique).
3- Bernard Arnault : 173 Milliards de dollars
I Bernad Arnault dia teratany Frantsay, tompon’ny orin’asa LVMH izay mpamokatra produit de luxe toy ny divay sy ireo gazety Les Échos sy le Parisien.
4- Gautam Adani : 122 Milliards de dollars
Teratany Indiana, Filoha mpanorina ny groupe Adani misehatra eo amin’ny opérations portuaires any Inde.
5- Bill Gates : 118 Milliards de dollars
Teratany Amerikana, Filoha mpanorona ny orin’asa Microsoft izay efa tsy zoviana amin’ny rehetra. Teraka tamin’ny 28 Oktobra 1955 tao Seattle (USA).
6- Larry Page : 107 Milliards de dollars
I Larry Page dia Informaticien Amerikana, izy no nanorina ny orin’asa Google niaraka tamin’i Sergey Brin
7- Warren Buffet : 103 Milliards de dollars
Teratany Amerikana teraky tamin’ny 30 aogositra 1930 tao Omaha. Investissement en bourse no tena ahafantarana azy.
8- Sergey Brin : 102 Milliards de dollars
Mpandraharaha russe nahazo zom-pirenena Amerikana, anisan’ny mpanorina ny orin’asa Google.
9- Steve Ballmer : 99.2 Milliards de dollars
Mpandraharaha Amerikana, efa niara nitantana ny orin’asa Microsoft niaraka tamin’i Bill Gates. Tompon’ny Club ana Basket Clippers.
10- Larry Ellison : 97.1 Milliards de dollars
Mpandraharaha Amerikana, anisan’ny mpanorina ny orin’asa Oracle izay misehetra eo amin’ny Informatique.